Hankany amin'ny vontoatiny

Andramena

Avy amin'i Wikipedia
Andramena
Hazofisaka vita amin' ny andramena
Zana-panorom-bazaha vita amin' ny andramena.

Ny andramena dia hazo sarobidy isan-karazany, ao amin' ny antoko Dalbergia (fianakaviana Fabaceae)[1][2]. Maniry amin' ny tany mafana izy ireo, matetika manopy volontakatra ahitana mitsoriadriaka matroka kokoa, nefa mety ho hita amin' ny loko hafa[3]. Mafy, henjana, matanjaka ary mavesatra izy io. Eo anelanelan' ny 0,85 sy 1,00 ny hakitrony, ka zara raha mitsingevana. Hazo malamalama ny andramena, sady ampiasaina amin' ny fanamboarana fanaka, gorodona, zavamaneno ary fanodinana (frantsay: tournage sur bois).

Indreto ny sasany amin' ny karazana antsoina hoe "andramena":

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. 1 2 "Andramena", tenymalagasy.org
  2. 1 2 3 "Taxonomic Studies on Malagasy Dalbergia (Fabaceae). III. Two New Species from Southeastern Madagascar and an Emended Description of the Rosewood Species Dalbergia maritima", complete.bioone.org
  3. ↑ "Rosewood tree", Memidex dictionary/thesaurus". www.memidex.com.