Hankany amin'ny vontoatiny

Hoditra (amin' ny zavamaniry)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Hodi-kazo)
Hodi-kazo

Ny hoditra dia sosona ivelany amin' ny vatana, ny sampana, ny rantsana ary ny fakan' ny zavamaniry misy lalan-dranon-javamairy (Tracheophyta), indrindra ny hazo, ny hazobotry, ny kirihitra ary ny vahy sasany. Miantoka ny famatsiana otrikaina sy ny fiarovana ny sela na tambatsela ao amin' ilay zavamaniry izy io.

Matetika dia azo fantarina ny karazan' ny hazo amin' ny alalan' ny hodiny (ny lokony, ny endriny, ny firafiny ary ny hateviny); kanefa, mety hiova be izany endriny izany arakaraka ny faritra ara-jeôgrafia misy azy (fehintany sy haabo), ny taonany sy ny haben' ny tara-masoandro sy ny rivotra azony, ary ny mety hisian' ny savoronala na volombato na ahidrano eny aminy, na zavamaniry hafa mipetraka eo amboniny (epifita).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]