Hankany amin'ny vontoatiny

Saurischia

Avy amin'i Wikipedia
Avy any ambony ka hatrany ambany ary avy any ankavia miankavanana: taolana karazana dinôzôro samihafa ao amin' ny Saurischia : Herrerasaurus (Herrerasauridae), Eodromaeus, Pelecanus occidentalis, Tyrannosaurus (karazana Theropoda telo), Apatosaurus, ary Plateosaurus (karazana Sauropodomorpha roa).

Ny Saurischia dia iray amin' ny filaharana na klady lehibe roa mandrafitra ny Dinosauria. ny faharoa dia ny Ornithischia. Nipoitra nandritra ny vanim-potoana Triasika Afovoany izy ireo, tokony ho 240 tapitrisa taona lasa izay, ary saika nanjavona tanteraka nandritra ny fisehoan-javatra niteraka fandripahana faobe teo amin' ny fihaonan' ny vanim-potoana Kretasea sy Paleôsena, izay nanamarika ny fiafaran' ny vanim-potoana Mezôzôika 66 tapitrisa taona lasa izay. Ny hoe Saurischia dia avy amin' ny teny grika hoe σαῦρος / saûros, izay midika hoe "biby mandady", sy ἴσχιον / iskhíon izay manondro ny taolan' ny valahana ifandraisan' ny taolam-pe sy ny taola-maoja. Atao hoe Pachypoda sy Pachypodes koa izy ireo.

Ny vorona ihany, izay taranaky ny karazam-biby madinika tao amin' ny Saurischia niaina tamin' ny faramparan' ny vanim-potoana Jiorasika, no tafavoaka velona tamin' io faharipahana io. Niparitaka haingana eran' ny kôntinanta rehetra nanomboka tamin' ny fiandohan' ny vanim-potoana Jiorasika ny Saurischia, izay anisan' ny biby manana hazondamosina manana endrika sy karazany samihafa indrindra, ary mbola hita any amin' ireo toerana ireo ihany koa ankehitriny amin' ny alalan' ny vorona.