Mamy Ravatomanga
| Ravatomanga Maminiaina | |||
| Ankapobeny | |||
| Anarana | Ravatomanga Maminiaina | ||
| Teraka | 08 novombra 1968 | ||
| Toerana | Morondava | ||
| Fiaviana sy ny andraikitra | |||
| Firenena | |||
| Asa : | Mpandraharaha | ||
| Fiainana manokana | |||
| Seha-pitiavana | Rakotoniary Haingo Ramy | ||
I Maminiaina Ravatomanga, antsoina koa hoe Mamy Ravatomanga dia mpandraharaha malagasy. Teraka tamin' ny 8 Novambra 1968 tao Morondava izy. Izy no tompon' ny Vondrona Sodiat sady mpanolotsaina akaiky ny filoham-pirenena malagasy teo aloha Andry Rajoelina. Nolazain' ny Forbes ho olona faharoa manankarena indrindra eto Madagasikara izy tamin' ny taona 2017.
Anisan' ny lasibatra tamin' ny hetsika tamin' ny Septambra-Oktobra 2025 izy noho ny fanjakazakany amin' ny toekarem-pirenena malagasy sy ny fifandraisany amin' ny manam-pahefana teo amin' ny fitondrana, ka nahatonga azy nitsoaka nankany Maorisy tamin' ny 12 Oktobra rehefa nanatevin-daharana ny mpitolona ny tafika, taloha kelin' ny nandosiran-dRajoelina any ivelany. Nosamborina tao Maorisy izy ny tamin' ny 24 Oktobra 2025.
Fiainany
[hanova | hanova ny fango]Fiaiany manokana
[hanova | hanova ny fango]Ravatomanga dia teraka tamin' ny taona 1968 tany Morondava[1]. Manambady an' i Haingo Ramy Rakotoniary izy[2]. Manan-janaka telo sy zafikely roa izy ireo. I Mamy Ravatoanga no filohan' ny Federasiôna Malagasin' ny Gôlfa nanomboka tamin' ny taona 2024[3][4].
Tamin' ny volana Jolay 2019 no voatendry ho "consul honoraire" an' i Serbia i Ravatomanga. Tamin' ny 10 Jolay 2023 izy dia voatendry ho "consul honoraire" an' i Kôtidivoara eto Madagasikara ary 10 andro taty aoriana dia nahazo zom-pirenena ivoariana[5][6].
Fandraharahana ataony
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny taona 1990 izy dia nanangana ny Sodiat, orinasa iray manokana momba ny fitaterana. Ny Sodiat amin' izao fotoana izao dia vondron' orinasa mikarakara ny fikojakojana solika, ny fanorenana, ny asa fanaovan-gazety, ny trano fandraisam-bahiny, ny fizahantany, ny fahasalamana ary ny fanafarana sy fanondranana koa[1], sady anisan' ny orinasa lehibe indrindra eto Madagasikara. Mampiasa olona manodidina ny 4 000 eo ny vondrona Sodiat[7].
Tamin' ny taona 2017, ny Forbes dia nametraka an' i Maminiaina Ravatomanga, izay olona mpanefoefo, ho laharana faharoa manankarena indrindra eto Madagasikara, aorian' i Ylias Akbaraly[8].
Raharaham-pitsarana
[hanova | hanova ny fango]Ravatomanga dia efa voatonona an-gazety fa voarohirohy tamin' ny raharaha maro mahakasika hosoka ara-ketra sy ara-bola teto Madagasikara sy tany Frantsa[9]. Ny anarany dia hita ao amin' ny tantara ratsin' ny Panama Papers, ary izy no tompom-bola lehibe amin' ny orinasa iray voasoratra anarana ao amin' ny vondro-nosy British Virgin Islands[9][10].
Raha ny teto Madagasikara dia voarohirohy ho nanodinkodina volam-panjakana tao amin' ny orinasam-pirenena Jirama izy, tamin' ny naha anisan' ny filankevi-pitantanan' ity orinasa ity azy. Voampanga ho nanao fanondranana an-tsokosoko andramena any Azia amin' ny alalan' ny fanafahana manokana avy amin' ny fanjakana sy ny orinasa any ivelan' ny tanim-pirenena koa izy[9]. Tamin' ny taona 2015 no voarara tsy hivoaka ny firenena izy, ary tamin' ny 26 Mey 2016 no nosavaina ny tranony[10].
Raharaha Balkany sy ny trano fonenana Levallois
[hanova | hanova ny fango]Voarohirohy tamin' ny raharaha Patrick Balkany ihany koa izy. Tamin' ny volana Febroary 2016, dia nanokatra fanadihadiana momba azy sy i Ramy Rakotoniary vadiny ny Parquet national financier (PNF) any Frantsa, noho ny famotsiam-bola iaraha-manao sy ny hosoka momba ny hetra tamin' ny fahazoana trano maro tany amin' ny manodidina an' i Paris tamin' ny alalan' ny tetika ara-bola manjavozavo izay nahavoarohirohy orinasa maromaro ivelan-tanim-pirenena, ny sasany amin' ireo orinasa ireo dia tao Maorisy[2][11].
Tamin' ny volana Jona 2018 ka hatramin' ny volana Jona 2019, ny efatra amin' ny fananany tany ambanivohitr' i Paris dia nogiazan' ny fanjakana frantsay nandritra ny fanadihadiana savaranonando nosokafan' ny PNF[12].
Tamin' ny volana Aogositra 2023 dia nofoanana ny fanadihadiana savaranonando nataon' ny PNF momba an' i Mamy Ravatomanga. Ity fomba fiasa ity dia mahakasika ny famotsiam-bola karakaran' olo-maro, ny kolikoly atao amin' ny mpiasam-panjakana, ny hosoka amin' ny hetra, ary ny fanondranana andramena tsy ara-dalàna. Nandray izany fanapahan-kevitra izany PNF satria tsy ampy ny porofon' ny fisian' ny fandikan-dalàna[13].
Raharaha Carlos Ghosn
[hanova | hanova ny fango]Voarohirohy tao anatin' ny fandosiran' i Carlos Ghosn avy any Japàna ihany koa i Mamy Ravatomanga tamin' ny taona 2020. Ny iray amin' ny fiaramanidin' ny kômpaniam-pitaterana ana abakabaka malagasy TOA, izay anisan' ny zanak' orinasany, no nampiasain' io tale jeneralin' ny Renault-Nissan-Mitsubishi teo aloha handositra avy any Japàna[14].
Fanjakazakana eo amin' ny tsenan' ny lavanila sy letisia
[hanova | hanova ny fango]Noho ny firotsahan-dRavatomanga tamin' ny tsenan' ny lavanila sy ny letisia eto Madagasikara, dia ampangaina ho nanao ampihimamba sy mampahantra ny mpamokatra madinika izy[15].
Tamin' ny volana Novambra 2022 dia namoaka fanadihadiana mikasika ny fanjakazakana eo amin' ny fanondranana letisia malagasy any Frantsa sy any Eorôpa ny Transparency International Madagascar, izay nitatitra ny fiheveran' ny olona azy ho akaikin' ny fitondrana[16].
Nifandray amin' ny Parquet national financier (PNF) frantsay ny Transparency International Madagascar ary niantso ny mba hanaovana fanadihadiana momba ny kolikoly sy ny famotsiam-bola amin' ny fikambanana maro sy olon-tsotra voarohirohy amin' ny fanondranana letisia malagasy any Frantsa, anisan' izany i Mamy Ravatomanga, mpikambana ao amin' ny filankevi-pitantanan' ny Groupement des exportateurs de litchis (GEL)[16][17][18], ary anisan' ny mpanondrana letisia malagasy lehibe any Frantsa.
Fanambaràna nataon' i Patrick Rakotomamonjy
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny volana Mey 2025, ny kôlônely Patrick Rakotomamonjy, talen' ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana, dia namoaka videô izay ilazany fa anisan' ny fototry ny tantara manafitohina eo amin' ny fanjakana izy, izay niteraka ny fisian' ny tambajotran-kolikoly mitovitovy amin' ny mafia ao amn' ny fitondram-panjakana misy misandrahaka amin' ny pôlitika sy ny toekarena[19][20].
Ao anatin' ity videô ity dia iampangany azy, ankoatry ny zavatra hafa, ny kolikoly, ny fanararaotam-pahefana, ary ny fampitahorana sy ny fandrahonana ho faty. Naharihariny ihany koa ny fakana vola misy fampitahorana ao amin' ny pôliklinikan' Ilafy, izay tobim-pahasalamana tsy miankina an' i Mamy Ravatomanga. Miampanga an' i Mamy Ravatomanga ho misahana asan' ny lehiben' ny firenena tsy ara-dalàna ihany koa izy[20].
Taorian' ireo fanambarana ireo dia nihetsika ny sampana malagasin' ny Transparency International tamin' ny famaritana ireo fiampangana ireo ho zava-doza sy tsy azo odian-tsy hita. Niantso fanadihadiana tsy miankina ilay fikambanana[21].
Raharaha Boeing naterina tany Iràna
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny 20 Oktobra 2025, momba ilay raharaha Boeing 777-200 dimy hita tany Iràna, dia voatonona ao anatin' ny antontan-taratasy ôfisialy azon' ny Agence France-Presse (AFP), miaraka amin' i Valery Ramonjavelo sy ny tale jeneralin' ny Aviation civile de Madagascar, ho anisan' ny voarohirohy tamin' ity raharaha ity, i Mamy Ravatomanga[22][23]. Tamin' ny volana Jolay 2025 mantsy dia Boeing 777-200 dimy no hita tany Iràna, na dia nosazian' i Etazonia aza, tao amin' ny kômpaniam-pitaterana an-kabakabaka iraniana Mahan Air. Taty aoriana dia ireo fiaramanidina ireo dia nosoratana vonjimaika eto Madagasikara tamin' ny voalohany mba hialana amin' izany sazy izany[24][25].ù
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]Videô
- "Affaire Ravatomanga : «Personne ne sera épargné», affirme le PM lors de la PNQ", TéléPlus
- "Conférence de presse du MSM au Sun Trust, Port Louis, après la PNQ sur l’affaire Mamy Ravatomanga", ION News
- "Affaire Ravatomanga : Le retrait surprise de Me Peeroo dans le dossier de blanchiment d'argent", CNews Info
- "Affaire Ravatomanga : La FCC ressuscite un dossier vieux de 14 ans sur le trafic de bois de rose", CNEW Info
- "Rajoelina sans nationalité ? Ravatomanga arrêté : la semaine qui bouscule Madagascar", Prospérin Tsialonina.
- "Spotlight (21.10.2025)-Jet Privé de Mamy Ravatomanga: Qui au PMO a donné l’autorisation Express?", Scoop MU
- "Mamy Ravatomanga : 30 ans de liens secrets avec Maurice révélés", CNEW Info
- "FCC : le bras droit de Mamy Ravatomanga arrêté", People's press.
- "Exclusif : Mamy Ravatomanga visé par la justice française depuis 2018", CNews Info
- "Saga politico-financière : l’affaire Ravatomanga au centre de l’émission Au Cœur de l’Info", TéléPlus
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- 1 2 "Mamy Ravatomanga, businessman et éminence grise de TGV", African Intelligence, 4/02/2013. (Arsiva)
- 1 2 "Quand l'argent malgache finit à Levallois", lexpress.fr, 9 mai 2018 (Arsiva).
- ↑ "Fédération malagasy de golf : Mamy Ravatomanga, nouveau président", La Vérité, 3 décembre 2024 (Arsiva)
- ↑ "Mamy Ravatomanga chez Moustpaha Marson", Midi Madagasikara, 18 février 2025 (Arsiva)
- ↑ "Madagascar : Le puissant homme d'affaires Mamy Ravatomanga désormais détenteur de la nationalité ivoirienne", Africa Intelligence, 27/09/2023 (arsiva)
- ↑ "DIPLOMATIE - Mamy Ravatomanga nommé consul de Côte d’Ivoire", L'Express de Madagascar, 20/10/2023 (Arsiva)
- ↑ "Africa Award 2021", africaawards.ceotodaymagazine.com
- ↑ "Ten Multi-Millionaires From Madagascar You Should Know", Forbes.com, 15/05/2017 (Arsiva).
- 1 2 3 "Un milliardaire malgache dans le viseur du PNF", sur zinfos974.com, 15/05/2018 (Arsiva)
- 1 2 "Madagascar: perquisition au domicile de l'homme d'affaires Mamy Ravatomanga", RFI, 27 mai 2016.
- ↑ "Corruption alléguée en France : enquête sur un proche du pouvoir malgache présent dans l’offshore mauricien", defimedia.info, 19 mai 2018.
- ↑ "Madagascar : levée des saisies des biens de Mamy Ravatomanga en France", Jeune Afrique, 15 juillet 2019.
- ↑ "Politique La procédure visant l’influent businessman malgache Mamy Ravatomanga classée sans suite", Jeune Afrique, 11 août 2023
- ↑ Emre Sari, "Fuite de Carlos Ghosn : la compagnie aérienne malgache TOA en question", La Croix, 10 janvier 2020.
- ↑ "Pourquoi Madagascar est le pays qui s’est le plus appauvri au monde", Challenges, 14 novembre 2023
- 1 2 "Madagascar : l’ONG Transparency dénonce un vaste système de corruption", Challenges, 11 novembre 2022
- ↑ "Bras de fer politico-judiciaire autour de la filière du litchi malgache", Africa Intelligence, 1er décembre 2022.
- ↑ "Transparency International en appel à la redevabilité dans lr commerce de litchi de Madagascar", Transparency.org, 10 novembre 2022
- ↑ "Un colonel en fuite accuse un homme d’affaires proche du président de corruption", RFI, 8 mai 2025
- 1 2 "Scandale d’État : Mamy Ravatomanga et l’ombre d’une mafia d’État à Madagascar", LGDI Madagascar, 3 mai 2025
- ↑ "Révélations du Colonel Rakotomamonjy : Transparency International exige une enquête indépendante et la fin de l’impunité Archived Mey 8, 2025 at the Wayback Machine", Midi Madagasikara, 8 mai 2025
- ↑ "Réouverture du dossier de la vente des Boeing à l’Iran : encore des ramifications mauriciennes", L’Express (Île Maurice), 23 octobre 2025
- ↑ "Madagascar : Mamy Ravatomanga, milliardaire en fuite, au cœur du scandale des Boeing 777 transférés à l’Iran", Africa Radio, 19 octobre 2025 (consulté le 23 octobre 2025)
- ↑ Philippe Randrianarimanana, "Madagascar: ce que l'on sait sur l'affaire des Boeing 777 livrés à l'Iran dans laquelle 22 personnes sont en détention", TV5 Monde, 28 août 2025
- ↑ Alain Hai, "Madagascar au coeur de l’affaire des cinq Boeing 777-200 livrés à l’Iran", Air Journal, 2 août 2025