Manaraka ny zotran' ny tondrom-pamantaranandro avy any ambony ankavia: tafiky ny Commonwealth any an' efitra; miaramila japôney mandevim-belona Sinoa sivily; i Stalingrad taorian' ny fanafahana azy; fiaramanidina mpiady japôney eo ambonin' ny sambo Shōkaku; fahazoan' ny Tafika Mena an' i Berlin; sambo mpisitrika alemàna voatafika.
Ny Ady Lehibe faharoa (AL2) dia ady mitam-piadiana izay niseho maneran-tany, nanomboka tamin'ny 1 Septambra1939 sy nifarana tamin'ny 2 Septambra 1945. Io ady maneran-tany io dia nampifanandrina toby roa: ny Mpiray Dina (frantsay: Alliés), izay ahitana ny firenena tandrefana toa an'i Frantsa sy ny Fanjakana Mitambatra ary i Etazonia, miampy ny Firaisana Sôvietika sy i Sina, andaniny, sy ny firenena ao amin' ny Aksisy na Teza (frantsay: Axe), izay ahitana an'i Alemaina Nazi sy ny Empira Italiana ary ny Empira Japôney, ankilany.
Ny Ady Lehibe Faharoa[1] dia vokatry ny tsy fahafaham-po nateraky ny famahana ny Ady Lehibe Voalohany sy ny nofinofi-piitarana (imperialisma) sy fanjakazakana tao amin'ny firenena telo lehibe ao amin' ny Aksisy. Raikitra ny AL2 noho ny fitambaran' ny disadisa sy ny ady an-trano tao amin'ny faritra maro, indrindra taty Afrika (ady faharoa teo amin' i Italia sy i Etiôpia nanombola tamin' ny taona 1935), tao Espaina (ady an-trano nanombola tamin' ny 18 Jolay 1936), tao Sina (ady sinoa-japôney tamin' ny 7 Jolay 1937) ary ary tao Eorôpa Afovoany (fampidiran' i Alemaina an-keriny an'i Aotrisy ho anisan'ny taniny tamin'ny 11 Martsa 1938, ary fakany ny fizaràn-tanin' ny Sodety avy amin'i Tsekôslôvakia tamin' ny 21 Ôktôbra 1938, fanafihan'i Alemaina an'i Pôlônia tamin' ny 1 Septambra 1939).
Ny diabem-pireharehana, fantatra ihany koa amin'ny hoe Gay Pride, Lesbian & Gay Pride, LGBTQIA+ Pride, na Pride tsotra fotsiny izao, no fihetsiketsehana lehibe indrindra karakarain'ny hetsika LGBT. Kinendriny ny mba tsy hahatakona ny olona pelaka, lesbiana, tia lahy sy vavy, queer, nanova fananahana, ary ny olona LGBTQIA+ hafa sy hiaro ny fahalalahana sy ny fitoviana amin'ny fironam-pitiavana ara-pananahana sy ireo fiziana ara-karazana fananahana.
Indraindray koa ireny fihetsiketsehana ireny natao hitakiana zo ho eken'ny lalàna toy ny fanambadian'ny mitovy taovam-pananahana. Ny ankamaroan'ny fihetsiketsehana isan-taona dia mitranga any amin'ny tontolo tandrefana, raha atao isaky ny volana jona kosa ireo fihetsiketsehana sasany ho fahatsiarovana ny rotaka tao Stonewall,[2][3]New York City,[4] tamin'ny taona 1969 izay fotoan-dehibe manana ny lanjany manokana teo amin'ny hetsika sosialy LGBTQ maoderina. Kinendrin'ny diabem-pireharehana ny hanangana vondrom-piarahamonina sy hanomezam-boninahitra ny tantaran'ny hetsika LGBTQIA+.[5]
Noforonina ny diabem-pireharehana taorian'ny rotaka tao Stonewall tany Etazonia tamin'ny taona 1969 ary efa misy manao azy any amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao. Matetika izy ireo no karakaraina manodidina ny volana Jona, volan'ny rehareha LGBTQ, eo isan-taona.
Azontsika tsirairay atao ny mametraka vaovao tsy mitongilana, tsy fampielezankevitra ary tsy mandainga eto
21 Aogositra2026 - Nambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tamin’ny Fanapahan-kevitra laharana faha 16-HCC[6], FA tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny lalàna 2026-005, izay nolanian’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 1 jolay 2026, momba ny politikan’ny fampiasana ny teny malagasy sy ny zo momba ny teny eto Madagasikara.
Araka ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana dia mifanohitra amin’ny zon’ny Olom-pirenena hisafidy malalaka ny fampiasana ny teny malagasy na ny teny frantsay izany, araka ny voalazan’ny andininy faha-4 ao amin’io Lalàna fototra io.
Azonao jerena etsy amin'ny rohy manaraka ny dikanteny malalaka amin'ny teny malagasy (azo tsikerana sy ahitsy)
1843 - Fanonganam-panjakana tao Gresy nahatonga ny fametrahana voalohany ny lalampanorenana tao amin'ny tantara ankehitrinin'io firenena io.
1953 - Nanasoniavan'ireo firenena mpikambana ao amin'ny Vaomiera Eoropeana ny Fifanarahana Eoropena momba ny zon'olombelona, hiarovana ny zon'olombelona sy ny fahalalahana fototra.
2004 - Notafihan'ny tafika manokana rosiana ny sekoly ambaratonga faharoa iray tao Beslan nalain'ny Tsetsenina ankeriny, ka takalon'aina sy mpampihorohoro miisa 396 no maty tamin'izany.
↑Wurzburg, Andrea (July 13, 2023). "Everything you need to know about pride month". People. Archived from the original on June 11, 2020. Retrieved March 17, 2024.
↑Wythe, Bianca (June 9, 2011), "How the Pride Parade Became Tradition", American Experience, archived from the original on April 22, 2016, retrieved March 17, 2024
↑Archie, Ayana; Griggs, Brandon (June 1, 2022). "It's pride month. Here's what you need to know". CNN. Archived from the original on June 13, 2022. Retrieved March 17, 2024.
↑"Pride: what is it and why do people celebrate it?". BBC. June 1, 2022. Archived from the original on June 3, 2020. Retrieved March 18, 2024.